Fanapotehana ny soatoavina, ny kolontsaina ary ny fiandrianam-pirenena miaraka amin’ny fandrobana ny harem-pirenena Malagasy ny rafitra demokratika nifandimby napetraky ny mpanjanatany tao anatin’izay 55 taona mahery izay, hoy ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy
Ampanjaka eto Madagasikara. Manankarena ny firenentsika nefa mahantra sy mijaly ny 92%-n’ny Malagasy. Mpanefoefo tampoka ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa ny mpitondra fanjakana. Mibaribary tanteraka ao anatin’izao Repoblika faha-IV izao ny fangalarana sy ny asan-jiolahy avo lenta. Hita ho manjakazaka sy manao izay tiany hatao mantsy ireo vahiny eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Tsy maintsy miova tanteraka ny fomba fitondram-piarahamonina eto Madagasikara. Vahaolana handresena ny fahalovana sy ny ozona ary ny zava-dratsy rehetra eto amintsika ny fananganana ny rafitra fanjakan’i Madagasikara mifototra amin’ny soatoavina, ny kolontsaina, ny fahamarinana avy amin’ilay Andriamanitra Andriananahary, hoy ny Filohan’ny FZAM Prince Réverend Docteur Ndriana Rabarioelina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.