Manao antso avo avy amin’ny mpitondra mba handray fepetra hentitra manoloana ny asan-dahalo mahery vaika mahazo ny vahoaka any atsimo ny fikambanan’ny zanaka Toliara FIZAFATO.
Mahatsiaro mantsy ry zareo fa toa tany lavitra andriana sy atao zanak’ikalahafa ny faritra atsimo misy ny faritanin’i Toliara. “Variana amin’ny politika ny fanjakana aty an-drenivohitra. Vahaolana maharitra no tadiavinay amin’ny alalan’ny fampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana miasa any ankoatra ny fanomezana fitaovana arifomba azy ireo. Takiana koa ny fampiharana ny dina”, araka ny ampahany amin’ny fanambarana navoak’izy ireo. Fa momba ny fikambanana FIZAFATO ihany dia tontosaina amin’ny sabotsy 15 septambra izao ny fifidianana ny filoha vaovao rehefa tara roa taona. Anisan’ny kandida mirotsaka amin’izany Rakotondrazaka Adrien izay tale jeneralin’ny Ministeran’ny rano. Sambany izany vao hisy tanora tsy minisitra sahy hifaninana amin’io toerana io. “Entiko amin’ny fitantanana ny fikambanana ny traikefako”, hoy izy.
Tsy latsa-danja amin’ireo zoky tokoa raha ny fahazaimanaony satria injeniera ny tenany, manana mari-pahaizana ambony momba ny fitantanana. Andraikitra ambony maro koa no efa nosahaniny toy ny naha tale azy tamin’ny tetikasa Bas Mangoky, mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra teo aloha ary koa ny maha “consultant” iraisam-pirenena miara-miasa amin’ny BAD azy. Ao anatin’ny fampielezan-kevitra moa izao ka heveriny ho tombony ho azy ny tsy fananany antoko politika sy ny fandaharanasany izay mifototra amin’ny fanampiana ny tanora hanana asa. “Homena fiofanana izy ireo ary koa hapetraka ny birao ahitana ireo karazana tolotra asa”. Farany dia heverin’i Adrien koa fa rariny raha mba anjaran’ny Faritra Androy indray izao no mitantana ny FIZAFATO satria efa nahavita fotoam-piasana mihoatra ny iray avy ireo faritra hafa ao anatin’ny faritanin’i Toliara.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.