Zanak’i Dada Vakinankaratra

> Manohitra ny fifidianana amboletra


  • Alarobia 11 Septambra 2013

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny Zanak’i Dada ao Vakinankaratra ny tolakandron’ny talala 10 septambra, nitondran’izy ireo ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.

Hentitra ny fanambarana fa dia tsy mankasitraka ny fananovana ny fifidianana am-boletra ka manohitra ny fanaovana io fifidianana filoham-pirenena io izy ireo. Mbola betsaka, hoy izy ireo, ny tsy fahatomombanana ara-teknika manodidina io fifidianana io kanefa dia terena hatao ihany. Nankasitrahan’izy ireo, araka izany, ny toromarika nomen’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny tsy fankasitrahan’ity farany io fifidianana io ihany koa satria nisy ny fanilihana ny hafa kanefa ny tanjona dia ho fifidianana iarahan’ny rehetra sy hoeken’ny rehetra. Mbola nohamafisin’ireto mpitarika ny Zanak’i Dada ao Vakinankaratra ireto fa tsy mbola manohana kandida ny ankolafy misy azy ireo hatreto. Mbola mitaky hatrany ny hanemorana na hanafoanana io fifidianana io ka hamerenana mihitsy ny lisitra misy ny kandidàn’ny rehetra tsy misy fanilihana izy ireo. Nilaza moa ireto mpitarika ireto izay notarihin’ny CST Rabenatoandro Lanto sy CT Randrianantenaina José fa am-pilaminana no hanoherana izao fifidianana izao fa tsy korontana akory.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT