Nozarazaraina ho antoko politika ireo ekipan-dRajoelina, izany hoe saika ankolafy Rajoelina ny maro an’isa tamin’ireo nanao sonia ny sori-dalana, hoy i Leriva Manahirana.
Torak’izay ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta toa an’ny minisitry ny foloalindahy, ny polisy, ny fitsarana. Izany dia midika, hoy ity CST solontenan’i Bickaville ity fa tsy hamerina an-dRavalomanana izy ireo koa tsy mahagaga raha toa ireny re ireny ny fomba fitenin’izy ireo. Manao lazon’ady i Andry Rajoelina, hoy ihany i Leriva ka izany no andrirarirany ny firenena sy ny Malagasy. Nanambara izy fa tsy hiala eto an-drenivohitra ireo olom-boafidy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana raha tsy tafody sy mirotsaka hofidiana ny kandidany dia i Marc Ravalomanana na inona paipaika atao hanakanana izany na inona.
Momba izay fifidianana izay moa dia niantso ny rehetra, indrindra fa Andry Rajoelina sy Ravalomanana ingahy Andriampilamanana Rostand, solontenan’ny Faritra Ihorombe, mba samy hilatsaka hofidiana hotsarain’ny vahoaka. «Amnistie électorale» no andeha hatao, hoy izy, ka izay tsy lany dia alefa avy hatrany any Tsiahafahy. «Tsy ny mpanao politika no tokony hanivana izay mahazo mirotsaka na tsia amin’ny fifidianana», hoy kosa Ralaimampisainarinony Manoela fa anjaran’ny vahoaka izany. Ankoatra izay dia anjaran’ny miaramila ny manatanteraka izay nifanarahan’ny mpanao politika fa tsy izy no hibaiko ny mpanao politika amin’izay tokony hatao. Nambaran’ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro omaly moa fa naka hevitra ihany no nahatongavan’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa, Marius Fransman teto fa ny fivoriamben’ireo fioham-pirenena eo anivon’ny SADC hatao ny 16 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao any Maputo no hamantarana izay ho fanapahan-kevitr’ity vondrona ity amin’izay hamahana ny krizy eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.