Politique

Zanak’i Dada Tsy gadra lava ka hoverezin-jo


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2012

Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia nifampidinika tamin’ireo hery velona isan-tsokajiny eto amintsika ireo iraka avy amin’ny Troika-SADC notarihin’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa, Marius Fransman.

 Narindra araka izay ihany koa ny fijoroan’ireo «Zanak’i Dada» tetsy amin’ny kianjan’ny Magro. Tamin’izany no nanaovan’izy ireo antso avo tamin’ireo vahiny : «Indreto izahay vahoaka malagasy, madio ‘casier judiciaire’ miantso anareo fianakaviambe iraisam-pirenena. Aza ampitoviana amin’ny gadra lava izahay ka tsy hanan-jo hifidy izay olona tianay hitondra ny firenenay. Diso ny filazana fa hiteraka korontana ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana. Raha tianareo hikorontana i Madagasikara dia sakano ny olona an-tapitrisany ao an-damosin-dRavalomanana tsy hifidy azy. Tsy manana kandida hafa izahay ary tsy manaiky kandida hafa fa vonona hifidy azy», hoy i Leriva Manahirana, depiote teo aloha voafidy tao Brickaville, ary mpikambana ankehitriny ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Nohamafisiny fa “tsy manana kandida ankoatra an-dRavalomanana Marc ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy koa izay milaza fa kandida amin’ny anarany dia tsy marina, Izay hamitaka dia miala ato amin’ny ankolafy”, hoy izy. Momba izay fifidianana izay moa dia nambaran’i Leriva Manahirana ihany fa «tsy hifidy izahay rehefa tsy mirotsaka hofidiana i Marc Ravalomanana koa asakasaky ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy hanaiky mihitsy izahay na inon-kidona na inon-kihatra», hoy ihany izy. Teo am-pijoroana moa no niraisan’ny vahoaka fo taminy tamin’izay fanambarana izay tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 11 aogositra teo. 

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT