Nifamory tao Bazaribe misy ny trano fonenan’ny CST Mosa Tahiry ireo Zanak’i Dada any amin’iny Distrikan’i Faradofay iny. Ny fifampizarana vaovao mahakasika ny toe-draharaham-pirenena sy ny fiainan’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny fiomanana amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana no niompanan’ny dinika. Na ratsy aza ny andro tamin’iny fiandohan’ny herinandro teo iny dia tsy nahasakana ireo mpikambana ho tonga maro. Tamin’izany no nanaovan’ny CST Mosa Tahiry sy ny CT Rafidiarisoa Victorine, izay olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fanentanana sy fampiomanana ny mpikambana amin’ny fahatongavan’i Dada. Voasoratra ao amin’ny tondrozotra izany, hoy i Mosa Tahiry na iza ho faly na iza ho tezitra.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.