Politique

Zanak’i Dada Tolagnaro Ho avy hitsena ny filoha Ravalomanana


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Miray fo sy saina ary fanahy amin’ireo mpiara-dia sy mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana ny Zanak’i Dada any Tolagnaro.

 Faly sy ravo ny vahoaka tany an-toerana raha vao naheno ny vaovao nolazain’ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo, milaza fa raha ny vinavina dia tokony ho tonga an-tanindrazana ny sabotsy izao ny filoha Marc Ravalomanana. Saika io ho fahatongavana io no ambentin-dresaky ny mpanara-baovao any an-toerana any : Akôry io ra…ho avy Dada ? Nirary izy ireo ny hahatongavan’ny rehetra hitsena azy eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato amin’io fotoana io.

Hoporofoina eo imason’izao tontolo izao fa mbola mamim-bahoaka izy, hoy ireto Zanak’i Dada ireto. Manomana ireo solontena hitsena ny filoha ny any atsimo. Tonga ny fotoana, hoy izy ireo ary tsy azo sakanana intsony izao fiverenany an-tanindrazana izao. Fihaonana vonjimaika tao amin’ny foiben-toeran’ny TIM ao Bazaribe no nahafantarana izany ny marainan’ny alarobia teo.
Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT