Mitohy hatrany ny hetsiky ny Zanak’i Dada ao Toamasina fanaon’izy ireo isaky ny sabotsy tolakandro eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.
Nandritra ny hetsika ny sabotsy tolakandro teo no nanamafisan’ireo mpitolona sy mpikatroka eo anivon’ny ankolafy fa “tsy misy miala eto raha tsy miverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo sesitany politika rehetra niala tanindrazana noho ny politikan’ny mpanogam-panjakana”. “Aoka izay ity fanadalana saim-bahoaka sy filalaovana ny sehatra iraisam-pirenena mba hilaza ny tsy misy ity”, hoy ny CST Rasamimaka Mahefalahy mpandrindra ny ankolafy ao Toamasina. “Voalaza ao amin’ny tondrozotra sy neken’ny SADC hatramin’izay ary mbola nohamafisin’ny Vondrona Afrikanina, fa mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika, anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana.
Tsy te hahalala izay filazana sy fanambarana hafa izahay, fa tanteraho ny voalaza, ampiharo ny nifanaovana sonia, ary aza kanosa fa sahia mijoro amin’ny fanapahan-kevitra niarahana nandray”, hoy hatrany ny CST Rasamimaka Mahefalahy. Nahitsy fiteny ny CT Iandro Robertson ka nilaza fa “na ho inona ataonareo FAT ireo, dia tsy hainay izany fa miandry ny dadanay izahay ary miandry ny rainy ny Malagasy, koa tsy maintsy mody Ravalomanana na iza faly na ho iza vinitra”. Ny solontenan’ny tanora eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina aza sahy nilaza koa fa “aza terena hihetsika izahay, aza terena hikorontana ny Malagasy, mila filaminana sy fitoniana isika izao”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.