Politique

Zanak’i Dada Toamasina Ho avy maro hitsena an’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 20 Janoary 2012


 “Tsy misy hahasakana ahy tsy hitsena ny filoha Ravalomanana eny Ivato, tsy maintsy anisan’ny olona mitsena sy mifanatri-tava aminy aho ary tsy maintsy mandray tanana sy hiarahaba azy tonga an-tanindrazana ny tenako”. Izay no nambaran’ity renim-pianakaviana efa tena dodona amin’ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana Marc sy ny delegasionina miaraka aminy avy ao Toamasina ity. Raha ny fanazavana azo, dia hisy ny ekipa hiainga ao Toamasina anio hariva, izay hiainga eo amin’ny Magro Tanambao V. “Tsy hosakanana izay rehetra te-handeha hitsena an’i Dada, efa vonona amin’ny fiara izahay mpikarakara izany”, hoy ireo komity misahana izany. “Efa vonona amin’ny zavatra rehetra mety hitranga izahay satria tsy fitsenana ilay filoha nahavita be tamin’ny firenena no hatao”, hoy hatrany ireo komity mpikarakara. “Tsy hiady na hanao valifaty no hahatongavany, fa hiara-kitady vahaolana amin’ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena sy hitady ny fitoniana mba hisian’ny fampandrosoana haingana ny firenena”, hoy ihany ireto komity ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT