Mbola mitana ny sain’ireo mpanara-baovao ny nahalany ny mpitandrina Lala Rasendrahasina sy Marc Ravalomanana.
Ny zanaky ny fiangonana no tokony hitondra firenena. Ny vahoaka anefa no tokony hifidy izay tiany hitondra azy, hoy ny mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita Rostand Randriampilamanana izay nanamafy fa santatra ihany iny tany Manakara iny. Voaporofo izao, hoy izy fa ny olona nolazaina fa mpamono olona sy mpangalatra dia madio. Tafitan’ireo mpizaika tamin’ny synodan’ny Fjkm ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy, hoy kosa i Sazalahy Tsianihy izay nanamafy fa tombontsoan’ny rehetra ny fodian’i Marc Ravalomanana fa tsy tombontsoan’ny olom-bitsy ho very tombontsoa. Raha tsy mila an-dRavalo ny vahoaka dia ho toy ireny ve ny vokatra namerenana azy ho filoha lefitry ny Fjkm, hoy Zafilahy Stanislas nametra-panontaniana.
Feon’ny mpino ao anatin’ny fitandremana tsirairay no fifidianana natao, hoy ihany ity parlemantera izay nilaza fa propagandy tsy nahy mialoha ny fifidianana ireny na dia tsy resaka politika aza fa raharaham-piangonana. Ankoatra iny tany Manakara iny dia nahazo valin-kafatra avy amin’ny Zanak’i Dada ireo miaramila. Nambaran’ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, ingahy Fidison fa dia rediredy no ataon’ireo miaramila sasany. Ny fanafihana ireo jiolahy no tokony hilofosan’izy ireo, hoy izy.
Tetsy andanin’izany dia nambaran’i Jeanson avy amin’ny Mfm fa rehefa miditra ho miaramila dia manao sonia ka tsy mahagaga raha ireny no tenin’ny jeneraly Randrianazary. Araka ny fanazavany dia ity manamboninahitra ity no namela ny praiminisitra Mangalaza irery, nampidirany ny kolonely Vital tamin’ny fotoanandrony, araka ny fanazavana ihany. Tsy anjaran’ny miaramila ny mipetsapetsana, hoy ihany izy fa ny miaramila no manatanteraka ka azo esorina ny tompon’andraikitra rehefa tsy mahavita. Fanantanteraha an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra no tokony hataon’ny FAT ary hanao izany izahay rehefa hiverina ao satria miandry an- dRavalo ny vahoaka ary izy tafody no hanombohan’ny asa rehetra, hoy ihany Jeanson izay nanitrikitrika fa tsy ny TGV vao telo taona no hanome lesona ny MFM sy ny movansy Ravalomanana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.