Fotoan-dehibe hanehoana ny fitiavan-tanindrazana ity herinandro ity ho an’ny anlokafy Ravalomanana. Hodinihan’ny governemanta miaraka amin’ny OMC sy ny ACM anio ny fandaminana ny fiverenan’i Lalao Ravalomana an-tanindrazana hitsabo ny reniny.
Manantena izahay fa handray ny andraikiny avokoa ny rehetra, hoy Rakotoarivelo Mamy, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita niteny tamin’ny anaran’ny ankolafy. Nanome toky ny lehiben’ny governemanta koa ny tenany fa tsy hisy ny korontana amin’ny fodian’ny vadin’ny filoha teo aloha ary izany indrindra no efa nanaovana izany mangingina. Raha sendra misy anefa, hoy izy ny korontana dia tsy avy aminay velively izany. Ankoatra io dia amin’ity anio ity tontolo andro no hanatontosa fitia tsy mba hetra etsy amin’ny Tranomboki-mpirenena Ampefiloha hanampiana ireo Malagasy any atsimo ny Zanak’i Dada.
Anasan’izy ireo ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina izany fiaraha-mientana izany. Eo amin’ny lafiny politika dia nilaza ny Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara fa tsy resy lahatra ny tenany hoe tena hampihavana tokoa ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) amin’ny endriny amin’izao. “Manantena anefa aho fa mba tsy hitombina izay ahiahy izay”, hoy izy. Ho mariky ny fifanajana koa dia hanatrika ny lanonana fametrahana ireo mpikambana 44 ao amin’ny FFM ny tenany amin’ny maha lehiben’Andrimpanjakana azy. Roso ihany koa ny dia manomboka izao amin’ny fitetezam-paritra ka hanombohana izany i Mahajanga amin’ny sabotsy izao, arahan’i Fianarantsoa, Ambatondrazaka … Rodobe mandrapahatonga ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no atao satria rehefa tonga soa aman-tsara eto an-toerana ity farany vao havoaka amin’izay ny lisitr’ireo kandida amin’ny fifidianana isan-tokony.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.