«Neken’ny SADC ny tetiandrom-pifidianana naroson’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana niaraka tamin’ny Firenena Mikambana, mahazo milatsaka hofidiana daholo, nekena ny fodiako».
Io no vaovao lehibe nambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy ny sabotsy lasa teo. Nialoha ny hidirany anaty fiaramanidina hihazo an’i Afrika Atsimo no niantsoany an-tariby ireo mpomba azy aty Madagasikara. Tanaty horakoraka tanteraka no nandraisan’ireo vahoaka nameno kianja tao amin’ny Magro Behoririka izany. Araka ny vaovao ihany dia hohamafisina ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto amintsika hanatanterahana izany haingana.
Tsy niova tamin’ny fehin-kevitra efa tinapaka tany Sandton ireo filoham-panjakana nanatrika ity fihaonana faha-32n’ny SADC tany Maputo ity. Fanontanian’ny rehetra ny hoe ahoana àry no hanantanterahana azy io ? Niaraha-nahita manko fa efa niray feo ireo filoham-panjakana nivory tany Sandton tamin’ireny fa mody Ravalomanana siangy ny FAT no nisakana. Hatreto anefa tsy nisy fepetra hentitra noraisan’ireo filoham-panjakana ho an’izay mandika ny zavatra tapaka.
500 miliara dolara
Tsy vita ny tolona raha tsy tafody tanteraka eto ny filoha Ravalomanana, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay nanamafy fa ny Malagasy no mitaky ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy ny filatsahany hofidiana hiverina hitondra ny firenena. Ankoatra ireo dia takian’ny ankolafy Ravalomanana koa ny fampiharana ny sori-dalana, izany hoe ny fampodiana ireo sesitany politika tsy ankanavaka, ny famotsorana ireo gadra politika ary ny famahana ireo haino aman-jery nakatona. Manoloana izay fehin-kevitra tany Maputo izay dia nanao antso avo tamin’ireo mpanao politika, ny vahoaka, indrindra ireo ao amin’ny foloalindahy i Zafilahy Stanislas mba hanaraka izay tapaka raha tena misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana. Avelao ho anay mpanao politika ny politika, hoy izy. Niantso ho amin’ny firaisankina sy ny fanambarana ny hery koa ny tenany mba hitsinjovana ny taranaka. Fantatra manko, araka ny fanazavana fa vola hatrany amin’ny 500 miliara dolara no fanampiana ara-bola azon’ny SADC sy ireo firenena ao aminy ato anatin’ny 15 taona ho avy. Tokony hahazo anjara amin’izany i Madagasikara raha milamina ny firenena, hoy ihany i Zafilahy. Koa aoka izay ny adilahy politika tsy mendrika satria mendrika hahazo io fanampiana io ny Malagasy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.