Voasakana tamin’ny ora farany ary tsy navelan’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, handray anjara tamin’ny matso ny Zanak’i DADA tao Vakinankaratra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena, omaly talata 26 jona, na afaka nilahatra aza ny antoko politika samihafa tany amin’ny Faritra hafa.
Raha ny zava-nisy dia efa vonona tanteraka ireo mpitolona marobe niakanjo fotsy sy nisalotra ny akanjo misy ny sarin’i Marc Ravalomanana. Efa tazana vonombonona ihany koa ireo tabilao maro feno ny sarin’i Dada. Nanoloana izany moa dia tonga teo amin’ireo mpitarika ny Kaomisera Manamijoro ary nanome toromarika fa tsy mahazo mitondra ireo sary ireo ianareo fa milahatra fotsiny. Nanaiky izay fandaminana izay ary ny mpitarika ka nizotra nanoloana ny Hotel des Thermes ireo mpilahatra saingy rehefa niha antoandro ny andro dia voalaza fa nahazo toromarika indray ry zareo EMMO-REG fa tsy mahazo milahatra indray ireto zanak’i DADA ireto. Nanomboka teo dia nisavorovoro ireo mpitolona ary niditra an-tsehatra mihitsy ny mpikambana CST Lanto Rabenatoandro sy ny CST Randrianjatovo Henri, saingy hentitra ingahy Razanakolona tsy namela azy ireo hilahatra mihitsy ary nolazainy fa tampoka be indray, hono, ny fangatahana hilahatra satria efa telo volana no nanomanana ity hetsika ity.
Hita ho sorena moa ireo vahoaka ka saika hanao am-boletra ihany hilahatra saingy efa nohatevenina haingana ireo miaramila ka ireo avy nilahatra indray no nanampy isa ireo polisy ary nanao sakana, sady efa nivonona tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ka farany dia nizotra nihazo ny kianjan’ny Magro izy ireo izay nasesin’ny fiaran’ny EMMO-REG avy tao aoriana mandra-pahatonga tao Avaratsena. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Rabemizana dia efa nisy ny fieran’izy ireo tamin’ireo mpitarika azy avy aty Antananarivo ka ireo dia voalaza fa fifandaminana tany amin’ny Praiminisitra Beriziky Omer ary voalaza fa nanaiky ity farany ny hilaharan’ireo mpitolona io tao Vakinankaratra saingy mila fifanarahana amin’ny lehiben’ny Faritra. Raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny Faritra moa dia voalazany fa “tsy an’ny ankolafy Ravalomanana ny fetim-pirenena ka tsy azo anaovana fanehoan-kery toy izao ary marobe koa ireo Antoko politika fa tsy ny ankolafy Ravalomanana ihany ka tsy azo nekena ny fangatahan’izy ireo”.
Anisan’ny nahasorena ny olona moa ny fahitana ireo soavaly izay afaka nilahatra soa aman-tsara kanefa izy ireo tsy navela hilahatra am-pilaminana. Raha ny fanazavana anefa dia tanjon’ireto zanak’i DADA ireto tamin’izao fangatahana hilahatra izao dia ny hanotrona ireo mpikambana avy ao amin’ny Governemanta sy ny ireo mpikambana Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay nanao rodobe tao Antsirabe, notarihin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Tsikaritra moa fa nisavoritaka tanteraka ny fandaharam-potoana nomanin’ny Faritra noho ny fisian’ireto delegasiona mafonja ireto ka voatery nofoanana tamin’ny ora farany ny fanasana olona izay fanao isan-taona teo amin’ny Faritra. Anisan’ny tranga nahatsikaiky ihany koa moa nandritra ity fankalazana ny fetim-pirenena tao Vakinankaratra ny tsy fanomezana seza ireo mpikambana CST sy CT ivelan’ny Distrikan’Antsirabe Voalohany nandritra ny fiatrehan’ny matso. Raha ny voalaza ihany dia baiko avy tamin’ny lehiben’ny Faritra izany fa tokony hamonjy izay Ditrika misy azy ireo olom-boatendry ireo fa tsy ao Antsirabe no mifety.
Caïus Raharison
Sary : Andian-tafika nanao matso natrehin’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana (sary : Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.