Politique

Zanak’i Dada Nanamafy tamin’ny latsa-bato fa tsy mivadi-belirano


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Niavaka ny hetsika notontosain’ny Zanak’i Dada tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 16 jona teo. Tamin’ny ankapobeny dia fety no natao tamin’io andro io, fa nilaozana ny kabary politika fanao isan’andro.

 Ankatoky ny fetin’ny Ray moa tamin’io, koa dia natokan’ny Zanak’i Dada ho fitrotroana am-bavaka, firariantsoa sy fankaherezana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny andro. Fa nanamarika ny fotoana ny fihetsika tamin’ny alalan’ny latsa-bato, toy ireny amin’ny androm-pifidianana ireny, saingy natao ampahibemaso, nataon’ny Zanak’i Dada nentin’izy ireo nanamafisana ny fitokisana sy ny fanohanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary koa nentin’izy ireo nanaporofoana tamin’ity farany ny firaisankinan’izy ireo. Tsikaritra tamin’io andro io rahateo fa dia niverina an-kianja raha efa tsy tazana efa ho herintaona ireo mpitari-tolona sasany tao amin’ny Magro, toa an-dry Rév. Satrobory niara-naneho fa tsy mivadi-belirano izy ireo ary vonona hampandany “1er tour dia vita” indray ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.

Nanome voninahitra ny lanonana ireo Parlemanteran’ny tetezamta avy amin’ny ankolafy Ravalomanana notarihin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana rahateo. Izy no nitondra teny ireo mpiara-dia aminy, niarahaba manokana ny Filoha Ravalomanana amin’izao fetin’ny Ray izao. “Matoky izahay fa hiverina tsy ho ela eto Madagasikara ianao, mba hampitraka ireto vahoaka miandrandra anao ireto”, hoy izy.

Ankoatra izay dia nitondra fanazavana manoloana ireo vahoaka maro tonga tao amin’ny Magro io sabotsy io mikasika ny taratasy nalefan’ny SADC i Mamy Rakotoarivelo, izay milaza fa tokony hampiharina maika ary ambongadiny ny tondrozotra ary tafiditra ao anatin’izany ny andininy faha-16,17, 20. Nohamafisin’ny SADC, hoy Rakotoarivelo, fa hihaona tsy ho ela ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ka izay tsy vonona handray andraikitra dia hosazian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “Mangataka isika ho alohan’ny 26 jona io fihaonana io ary eto Antananarivo. Matoky isika fa tsy isika no hosaziana satria ny antsika dia ny tondrozotra ihany, ka mody ary milatsaka hofidiana ny Filoha Ravalomanana”, hoy ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana. Totorebika sy fizarana hafaliana no nameno ny fotoana. Nisy rahateo ny fizarana mofomamy sy koba Malagasy ary dia raikitra ny “Mifankatiava ihany”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT