Niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taonan’ny ankolafy Ravalomanana, tao Soavita Toamasina ny sabotsy teo Atoa Marc Ravalomanana.
Nolazainy nandritra izany fa “ny tonga miaraka dia fanombohana, fa ny miasa miaraka no fahombiazantsika tahaka ny nataontsika teo aloha rehetra ireny, ka nahafahantsika nanoritra ny lalan’ny fampandrosoana sy nanohizantsika izany lalana izany”. Nomarihany fa “tsy tokony hanana ahiahy ny rehetra fa tsy natao fahatany ny nifidianana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ho anisan’ny mpifaninana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena, fa izaho dia i Lalao Ravalomanana ihany, izy aloha izao no afaka hanohy ny lalana efa nosoritantsika hampandrosoana ny firenena izay notapahan’ireo mpandrobaka fitondrana”. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana tamin’ireo vahoaka ary ireo mpikatroka eo anivon’ny ankolafiny nameno an’i Soavita, fa “mila mivonona isika, mila sahy ihany koa amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana, satria io fahamarinana izay fototry ny tolona ataontsika io no antoky ny fandresentsika ankehitriny, aza atao sakana ny hevitra tsy mitovy, satria ireny dia harena goavana ahafahana mandrafitra fototra ho tena antoky ny fandrosoana sy fandresena.
Atambaro ny hery, atambaro ny saina, atambaro ny hevitra ary miraisa hina hatrany”. Nanome toky ireo mpiara-dia aminy Atoa Marc Ravalomanana. “Aza matahotra ianareo fa efa mandamina ny fodiako an-tanindrazana aho”, hoy izy. “Efa nilaza ny tsy hirotsaka sy tsy handray anjara amin’izay fifidianana hisy rehetra ny tenako, nefa mbola misy ireo sahy mandika izany ihany koa midika izany fa foana ilay ‘ni…ni’, ka ho fandeferako tamin’ny tsy firotsahako noho ny fitsinjovana ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny Malagasy mikoroso fahana ary ho famahana haingana ny krizy politika novolena nanimba ny firenena, dia afaka miverina any Madagasikara aho ary efa tena tsy ho ela intsony izany”, hoy hatrany Atoa Marc Ravalomanana namarana ny fanazavany nivantana an-tariby avy any Afrika Atsimo ny sabotsy teo tao amin’ny kianjan’i Soavita Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.