Politique

Zanak’i Dada Miandry ny vokatr’i Seychelles


  • Talata 24 Jolay 2012

Tsy toy ny alatsinainy mahazatra ny tao amin’ny Kianjan’ny Magro omaly fa dia be olona tokoa.

 Liam-baovao ny rehetra, indrindra manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ireny ny zava-nisy teny Ivato sy ny mety ho fizotry ny dinika any Seychelles ataon’izy mianaka amin’ity anio ity. Araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina, Zafilahy Stanislas dia anisan’ny vahaolana ilain’ny vahoaka ny fodian’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, ny filatsahan-kofidiany ary ny hampandany azy amin’izany fifidianana izany.

Aorian’io fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana io, hoy ity Parlemantera dia tokony hisy ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efatra, arahina dinika eo amin’ireo mpanao politika sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena izay vao hilamina ny krizy. Ho an’ireo mpomba an-dRavalomanana moa dia hisy ny fitrotroana am-bavaka manokana ny dinika any Seychelles amin’ity anio ity ankoatra izay efa natao tamin’ny sabotsy lasa teo.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT