Politique

Zanak’i Dada Miakatra ny feo


  • Zoma 31 Aogositra 2012

Tsy hitondra filaminana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ny tsy fodian’i Marc Ravalomanana, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony, manoloana ny fanambaran’ny antoko Mamafisoa izay nilaza fa samy tsy tokony hirotsaka hofidiana na i Marc Ravalomanana na Andry Rajoelina.

 Nambaran’i Manoela fa ao anatin’ny paipaikan’i Frantsa avokoa ireny rehetra ireny. Tetsy andanin’izany dia nanao antso avo tamin’ny jeneraly Ravalomanana ny tenany ny amin’ny tokony hamoahana ny anaran’izay nanao ny baomba tetsy Analakely. Niantso an’i Alain Ramaroson koa izy hamoaka ny anaran’izay namono an’i Nadine Ramaroson. Raha avy taty amin’ny mpanohitra, hoy izy no nanatontosa ireo, efa notabatabaina sy nosamborina. Hatramin’izao anefa dia tsy hita izay marina kanefa izany no notakian’izy ireo teny amin’ny Kianjan’ny 3 mey, nitarihan’olona novonoina teny Ambohitsorohitra.

Manoloana ny resaka Ambatovy kosa dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy fa misy fitakiana volabe ao ambadiky ny tsy fanomezana fahazoan-dalana ity tetikasa ity hahafahany mamokatra amin’izay. Ny solika no tena olan’ny Frantsay eto, hoy kosa ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. «Esorinareo Frantsay i Andry Rajoelina fa ianareo no nametraka azy teo», hoy ihany izy. Tetsy andanin’izay dia notsiahivin’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Randriamamizafy Ignace fa tsy misy lalàmpanorenana mihatra izany eto. Mifanipaka amin’ny sori-dalana rahateo izany. Ao anatin’ny sori-dalana manko dia tsy azo atao ny manongana na mitsipaka ny fitondrana, fa ny lalàmpanorenana kosa anefa dia manome alalana ny Parlemanta handrava na hampihantona izay mpitondra eo. 

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT