Politique

Zanak’i Dada Mailo amin’ny fihetsik’i Andry Rajoelina


  • Talata 22 Mey 2012

Mitohy tsy tapaka ny hetsiky ny zanak’i Dada ary vao maika aza miakatra ny marimpana politika ao amin’ny Magro Behoririka taorian’ny resaka mandeha an-gazety fa dia misokatra amin’ny fifampidinihina i Andry Rajoelina, tsy olana aminy ny fampiharana ny sori-dalana, ary afaka anaovana fifanarahana politika ny mikasika ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

 Mailo anefa ny zanak’i Dada manoloana izany, ary milaza fa tsy azo itokisana ilay fanambarana. Raha an-kitsim-po tokoa izany, maninona no any Etazonia, handeha hihaona amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban-ki Moon no mivoaka ilay resaka, nefa taty Madagasikara dia fandrahonana handray fepetra amin’ireo minisitra sy Parlemantera zanak’i Dada no natao. Amin’ireo zanak’i Dada dia tetika hisehoana eo imason’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana fa manaraka ny tondrozotra izy mba hahazoana fanampiana hanaovana fifidianana io, fa tsy hitondra fitoniana izany. Ho hita eo ny resak’i Andry Rajoelina rahampitso (anio) satria tsy fantatra intsony ny marina aminy, hoy Rakotomanjato Rodin. Ralaiseheno Guy Maxime moa dia nanitrikitrika fa tsy misy tsy mimenomenona ny eto an-tanàna ary manontany mihitsy fa mbola ho entin’i Andry Rajoelina aiza ity firenena ity ? Fitokonana hatrany no misy tao anaty ny telo taona mahery izao. Fa rahoviana no tapitra indray ity FAT ity, hoy ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro omaly. Na izany aza dia nanamafy izy ireo fa ny filoha Marc Ravalomanana ihany no fanantenana hamaha izoa krizy izao.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT