Miakatrakatra ny feo ao amin’ny Magro ny faran’ny herinandro teo. Faranana hatreo ny tetezamita FAT, hoy ny Dr Jules Andriamaholison, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Izay no antoka hodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, araka ny nambarany. Natsidiny fa dia ho andron’ny demokrasia amin’ny 14 jolay ary dia Ambohijatovo indray no fotoana amin’io. Tsy kisendrasendra fa dia safidy io daty io, raha ny fandrenesana azy, satria dia mifanotona amin’ny fetim-pirenena frantsay, ary dia fanomezana ho an’ny Frantsay io hetsika io.
Nampahafantatra koa ny Dr Jules Andriamaholison fa dia nandrafitra “mémorandum” na antontan-kevitra mirakitra ny fandikan-dalàna nataon’i Andry Rajoelina hatrizay izy ireo, ary dia haparitaka eran’izao tontolo izao koa io. Nanamafy izay ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Leriva Manahirana, fa hafa ny taloha fa niova ny toe-draharaha ankehitriny. Ny fihaonana hifanaovan’ny filoha Ravalomanana amin’i Andry Rajoelina no varavarana hivoahan’i Andry Rajoelina mora eo amin’ny fitondrana. Tsy maintsy mahomby io fihaonana io, ary raha mbola miolakolaka i Andry Rajoelin dia mirondana, ary tsy misy lalana ho azy intsony raha mbola mihevitra ny hanao politika izy, hoy hatrany i Leriva Manahirana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.