Politique

Zanak’i Dada Hiverina eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy


  • Alarobia 09 Mey 2012

Antomotra ny datin’ny 13 mey, daty manan-tantara teo amin’ny pejy politikan’i Madagasikara. Miakatra ny maripana politika eto an-toerana.

 Manohy ny fitokonany ireo mpampianatra mpanabe eo anivon’ny SEMPAMA. Nanohy ny fidinana an-dalambe ireo mpianatra amin’ny lisea sy CEG sasany teto an-drenivohitra. Nilaza koa omaly ireo mpitatitra eto an-drenivohitra mivondrona amin’ny UCTU fa hitokona izy ireo amin’ny alatsinainy 14 mey. Nivoitra tao amin’ny Magro Behoririka koa omaly fa dia hiverina eny Ambohijatovo ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny sabotsy 12 mey izao. “Tsy mbola vita ny tatitra tamin’ny vahoaka ka haverina indray”, hoy i Zafilahy Stanislas, izay efa nisalotra fanamiana mpanao fanatanjahantena hanaporofoany ny fahavononany hitarika amin’io andro io. Ho hita eo, hoy izy, raha manaraka ny teniny ilay kaomisera nilaza fa raha tsy nanohana ny fifamovoizana, tsy mamotika, tsy mandrava dia afaka maneho hevitra an-dalambe.

Efa vonona hiala izahay ary efa niomana amin’izany. Nanamafy izany ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Ranaivorazo Feno, sady nilaza fa “tanim-panjakana Ambohijatovo noho izany fananam-bahoaka”. Ny filohan’ny vondrona parlemantera ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Ravelonanosy Mamitiana, tetsy ankilany dia nanamarika fa kianja filalaovan’ny ankizy sisa ilay Kianjan’ny demokrasia ary mety tsy ampy angamba fa dia nilatsaka an-dalambe ireo satry tsy raharahaina ary nahavaky ny Kianjan’ny 13 mey ireo, nitaky ny zony. “Tsy hanapotika mihitsy no hahatongavanay eny Ambohijatovo”, hoy ny CT Randriamiandrisoa Ernest. Nohitsian-dRarison Hilarion anefa ny resaka ka nilazany fa “rehefa tsy Ambohijatovo dia 13 mey” amin’ny sabotsy. Ary mety ho izay no nilazan-dRalaiseheno Guy Maxime fa “hisy vaovao maro hanamarika ity herinandro ity”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT