Politique

Zanak’i Dada Hirodorodo eny Ankorondrano


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Hivoaka ny kianja ary hanao rodobe eny amin’ny foiben-toeran’ny birao fifandraisan’ny SADC eny Ankorondrano ny Zanak’i Dada amin’ity anio ity.

 Ho lohalaharana hitarika izany ireo vehivavy solontenan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita. Mihevitra ny zanak’i Dada fa tsy misy mandre na misy manampin-tsofina amin’ny antsoantso sy ny fitakian’izy ireo isan’andro ao an-kianja ka dia hivoaka ny vala izy ireo haneho mivantana izany amin’ny solontenan’ny SADC eto Madagasikara, noho ireto farany manana andraikitra mazava ao amin’ny tondrozotra rehefa misy ny fikatsoana. Misy rahateo ny fampihaonana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, araka ny tapaky ny SADC nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana natao tany Luanda (Angola) ny 30 mey sy 01 jona 2012 teo, ka dia hanery sy hanao tsindry amin’ny hanatanterahana izany eto Madagasikara izy ireo. Mikasika izay indrindra dia miakatrakatra ny feo ao amin’ny Magro Behoririka. “Ampy izay fandeferana izay fa ela loatra. T

sy maintsy eto Madagasikara-Antananarivo ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana”, hoy i Leriva Manahirana tamin’ny ny sabotsy 30 jona teo. Notsiahiviny fa ny fampiharana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra, milaza fa mody tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana izao no fototry ny tolona. Manaraka ny andininy 16, 17, 18 hisian’ny fahalalahana maneho hevitra fanokafana ireo haino aman-jery nakatona, fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana sy famoahana ny gadra politika hisian’ny fitoniana. Ity hetsika eny amin’ny SADC Ankorondrano anio ity no hanombohan’izy ireo ny fivoahana kianja indray, taorian’ny fetim-pirenena iny “hampafantarana fa i Madagasikara no mila an-dRavalomanana ary tsy misy fifidianana vanona eto raha tsy mody izy ary, izay fodiany izay no midika fa milamina ny tany”, hoy hatrany i Leriva Manahirana.

Ny filoha lefitry ny kongresin’ny tetezamita, Faritanin’i Toamasina, Zafilahy Stanislas, etsy ankilany nampahatsiahy fa ny fananan-dRavalomanana hambom-po sy fitiavana tanindrazana no manahirana ny Frantsay mafy satria ny azy dia fiaraha-miasa no apetrany sy ilainy. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia ny Frantsay sy ny Karana no manjakazaka eto Madagasikara, ka tsy maintsy mijoro hanohitra an’izany ny Malagasy, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT