Politique

Zanak’i Dada Hilahatra eny an-dalambe


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

Hidina an-dalambe ary hiseho vahoaka indray ireo Zanak’i Dada ao Antsirabe rahampitso 26 jona, hankalaza ny fetin’ny fahaleovantena.

 Fantatra io nandritra ny hetsika notontosain’ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 23 jona lasa teo. Araka ny efa nitaterana azy teto amin’ny gazety dia hidina hanao rodobe any Vakinankaratra ny Ankolafy Ravalomanana hankalaza ny fetin’ny fahaleovantena ary hitarika ny Delegasiona amin’izany ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Atoa Mamy Rakotoarivelo hotronin’ireo Minisitra sy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny mpitolona ao amin’ny Magro fa hanome voninahitra ireto mpitarika azy ireto ka haneho izany amin’ny alalan’ny filaharambe ihany koa.

Raha ny fanazavana nomen’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Rakotomiandrisoa Jean Ernest, dia hisy ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana maromaro avy any amin’ny faritany ho avy hanotrona ny filohan’ny Kongresy any Antsirabe ihany koa ka izy ireo no hitarika ireo mpitolona mandritra ny filaharana satria raha ny toerana voatokana tokony hisy azy ireo dia tsy ho antonona mihitsy. Fantatra ihany koa fa dia hivoaka avokoa indray ireo fanamiana misy ny sarin’i Dada mandritra ity filaharambe ity. Aorian’izay moa dia hiaraka hikorana amin’ireo mpitolona ao amin’ny Kianjan’ny Magro Avaratsena ihany ireo mpitolona hotronin’ireo mpitarika.

Raha ity tranga ity dia haneho hery indray ireto Zanak’i Dada ireto. Fotoana hisehoana vahoaka tsy hilana fahazoan-dalana rahateo ny fetim-pirenena ka izay angamba no hohararaotina. Raha ny tsiliantsofina moa dia toa nahasorena ny mpitondra ao amin’ny faritra ity fidinan’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana aty Antsirabe ity. Ho hita eo izay zava-mitranga mandritra ny fetim-pirenena. satria filohana andrim-panjakana amin’izao tetezamita izao no hidina any izay sambany no hisy toy izany, tsy hiatrika ny fety eny Mahamasina mantsy izy ireo. Hafa koa ity…

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT