Politique

Zanak’i Dada Hihetsika amin’izay


  • Zoma 10 Aogositra 2012

Mafana ny fanehoan-kevitra politika taorian’ny fihaonana nandamoka teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tatsy Seychelles farany teo.

 Ho an’ny Zanak’i Dada dia efa ampy izay nandeferana izay. Mihetsika amin’izay isika, hoy Ralaimampisainarinony Manoela. Tsotra ihany ny resaka ho azy ireo  dia ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto dia hisy ny fitoniana. Tsy nisy nifidy an-dRajoelina ho filoham-pirenena teto. Raha ny fanazavan’i Guy Maxime Ralaiseheno dia tsy hiala amin’ny sori-dalana ny SADC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Ny fampiharana izany an-tsakany sy an-davany no tokony hojerena, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity.

Narangarangan’i Guy Maxime Ralaiseheno koa fa ny sori-dalana izay niarahana nanao sonia no nametraka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita. Raha miala ao anatin’io sori-dalana io isika dia tsy filohan’ny tetezamita intsony i Andry Rajoelina, hoy ihany izy nanamafy nanoloana ireo mpiara-dia amin’izy ireo tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro. Raha ny fanehoan-kery ara-politika toy izay natao ny 21 janoary 2012, 28 aprily 2012, 1 mey 2012, 12 mey 2012 dia ny filoha Ravalomanana irery no azo antoka fa mahazaka vahoaka, hoy ihany ity mpanao politika ity. Raha ny fantatra dia miandry izay ho toromarika hitondrana ny tolona ny Zanak’i Dada.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT