Politique

Zanak’i Dada Hiavaka ny hetsika eny an-kianja anio


  • Zoma 30 Desambra 2011

«Tsy Rajoelina no nanendry anay ho mpikambana eo anivon’ny CT sy CST. Raha Rajoelina no nanendry anay dia tsy nankao izahay.

 Ny sori-dalana no nahatonga ny ankolafy Ravalomanana niditra tao anatin’io rafitra io», hoy Randriamamiarizafy Ignace, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Notsindriany ihany koa fa ny filoha Ravalomanana no nitsodrano azy ireo hiditra ao ary ny hanala an-dRajoelina no nidirana ao, hoy ihany izy. Ankoatra izay dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity fa raha ny lalàmpanorenana dradrain’ny FAT no manankery dia ingahy Camille Vital no tokony mbola ho praiminisitra ary ingahy Raharinaivo Andrianatoandro no filohan’ny Kongresy. Efa ny sori-dalana anefa no mitondra ny firenena amin’izao fotoana izao ka najoro ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia tsy misy intsony izany fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izany. Momba ny fanakatonana ireo haino aman-jery indray dia nanamarika ingahy Ignace fa tsy nisy ary tsy misy didim-pitsarana nanakatona ny MBS, ny Radio Mada ary ny Radio Fahazavana fa didim-pitondrana iraisan’ny ministera eo amin’ny ministeran’ny fifandraisana sy ny fifandraisan-davitra no nanakatonana ireo haino aman-jery akaiky an’i Marc Ravalomanana ireo noho ny tahotra ity farany. Tetsy andaniny kosa dia nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa dia tapitra ny 28 desambra 2011 teo ny fe-potoana niasan’ireo Ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy.

Tamin’ny taon-dasa moa raha tsiahivina dia efa nikasa hanao fifidianana Ben’ny tanana nialoha ny fotoana ny FAT saingy tsy raikitra izany. Ankehitriny indray dia mihazakazaka amin’ny fanalavana izany fotoana hiasan’ireo Ben’ny tanàna ireo manana ny fahefana noho ny fahafantarany fa ho resy izy. Raha ny tarehimarika naroson’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha ity, dia 100% na eny anivon’ny Fokontany, na eny amin’ny Kaominina dia mbola any amin’ny filoha Ravalomanana ny baolina. Tsy nisy nahavita ny vitan’i Marc Ravalomanana, hoy izy.

Notsindriany ohatra ny fampandrosoana nentin’ny filoha Ravalomanana nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009 nitondrany. Fantatra nandritra ny lahateny nifandimbiasana teo amin’ny Magro omaly koa fa hisy filankevitry ny governemanta amin’ny talata ho avy izao. Nambaran’ny CST Rodin Rakotomanjato fa tsy tokony hieritreritra fifidianana izany raha tsy tanteraka ny fangatahan’ny vahoaka, dia ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ilay sori-dalana, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fisokafan’ireo haino aman-jery. Raha ny fantatra moa dia hiavaka ny hetsika eny an-kianja amin’ity anio ity.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT