Natomboka sy nofaranana mialoha ny hetsika tao amin’ny Magro Behririka omaly. Hanatitra taratasy isika eny amin’ny masoivoho maro, hoy ny mpitarika.
Tapitra ny fe-potoana nomen’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (CPS), hanatanterahana ny tondrozotra, hoy ny CST Henri. Pitsopitsony sisa dia hiroso amin’ny fanaterana ny taratasy isika. Raha nandray fitenenana ny mpandrindra ny Tim eto an-drenivohitra dia nilaza fa mila terena ny SADC ary izy rahateo manana biraom-pifandraisana eto amintsika. Tonony mihitsy ny anarana fa aza afenina ny marina, hoy ny CST Henri fa rehefa ratsy dia ratsy ny zava-misy. Isika dia maka ny fitondrana amin’ny alalan’ny vavaka sy fifidianana, hoy ny CT Mamisoa, raha Andriamanitra momba antsika dia handresy hatrany isika ary ny finona no mampandresy. Tondrozotra aloha vao fifidianana, hoy ny CST Henri.
Miandry izay tapaky ny Troika sy ny fivoriamben’ny SADC indray isika ary mety io no farany, hoy ny kabary teny an-toerana. Mampirisika ny FFKM mba hahavita be amin’ny asa fampihavanana ataony ihany koa ny teny amin’ny Magro. Hatreto aloha dia manaja ny toromarik’Atoa Marc Ravalomanana ny eny amin’ny Magro ka tsy misy resaka kandida amin’ny fifidianana mihitsy fa mbola any amin’ny fampiharana manontolo ny tondrozotra ny resaka, mpanelanelana ny SADC ka izay no antony hanairana sy hanerena azy handray fanapahan-kevitra hentitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.