Hanao hetsika goavana ao an-kianjan’ny Magro ny Zanak’i Dada anio. Hifarana anio 31 jolay mantsy ilay fe-potoana nofaritan’ny GIC-M, hanatanterahan’ny Malagasy ireo teboka fito napetrany, toy ny hamoahana didy hitsivolana hanavaozana ny CES, ny hialan’i Andry Rajoelina an-tsitrapo, toy izany koa ireo kandida heverin’izy ireo fa tsy ara-dalŕna.
Raha ny zavatra hita tetsy amin’ny Magro omaly dia azo lazaina fa vonona hisedra izay zavatra rehetra hitranga ny Zanak’i Dada. “Efa niharitra isika ka iaretanay izay mitranga eo”, hoy i Viky. “Sazio izahay fa i Neny dia tsy hiala”, hoy i Lanto nanamafy. Fa nanazava ny zavatra niseho tao Tsimbazaza kosa ny CT Iandro Robertson na i Sôlamena. Ny Zanak’i Dada, hoy izy dia manaiky ny fanovana ny CES fa tsy manaiky kosa raha io fanovana io no entina hanaovana sakantsakana ny mpikambana tao sy ireo kandida filoham-pirenena, fa fanakanana safidy izany.
Mahazo tezitra ny vahoaka ka hitora-bato anay kanefa mino aho, hoy i Sôlamena fa tsy hankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana io lalàna io ka ho rava. Tsy tokony hatakalo vola ny firenena, hoy i Sôlamena. Mikasika ny fahatongavan’ny iraky ny GIC eto indray dia nametra-panontaniana i Sôlamena : mpitsara sa mpanelanela ny GIC ? Izy ihany moa no mamaly fa raha zavatra hita dia tsy mpanelanelana ny GIC satria tsy mampihavanana fa manasazy. Koa tongava indray ary alatsaho ny sazy fa hosazin’ny vahoaka ianareo ary izahay tsy ho andevon’ny Frantsay na oviana na oviana, hoy izy.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.