Politique

Zanak’i Dada Hanao 26 jona ao amin’ny Magro raha tsy mbola tonga i Dada


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Raha nanantena ny hanatrika ny fetin’ny 26 jona eny Mahamasina miaraka amin’i Dada ny mpitolona etsy amin’ny Magro Behoririka dia nanakoako ny feo teny amin’ity kianjan’ity ny sabotsy teo, fa hanatanteraka fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona eny Behoririka ry zareo ary hitondra sainam-pirenena tsirairay avy raha sanatria ka tsy tafaverina mialoha io daty io ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana izay fototry ny mbola fivoriana eny an-toerana ny fitakiana ny fampodiana azy efa hatramin’ny 5 taona lasa izao.

 Mila manome famotsoran-keloka ho an’ireo gadra politika ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny 26 jona izao, hoy i Manoela, mba hisian’ny fitoniana marina eto amin’ny firenena. Tsy avy eto amintsika mihitsy no hiavian’ny feo miantso ny tsy hananganan-tsaina amin’izao fotoanan’ny Asaramanitra izao fa mandà an-kitsirano ny hanatanteraka izany isan-tokantrano fotsiny izao ny vahoakan’Antananarivo, hoy izy, satria mbola be ireo maratra anaty noho ny mahakamboty azy amin’ny tsy fampiharan’ny fitondram-panjakana ny lalàna velona voarakitra anaty tondrozotra. Nohamafisin’ireo mpitari-tolona nifandimby nikabary an-kianja toa an-dry Zafilahy, Ignace, Feno ary Eric moa izany hevitra izany ary tsy nohadinoin-dry zareo rehetra ihany koa ny niarahaba nialoha ny filoha Marc Ravalomanana an-tany lavitra sy ireo raim-pianakaviana Malagasy rehetra noho ny fahatongavan’ny fetin’ny ray ny 15 jona 2014.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT