Politique

Zanak’i Dada Faradofay Hanao hetsika goavana rahampitso sabotsy


  • Zoma 20 Janoary 2012


 Nivory avy hatrany ireo Zanak’i Dada any Faradofay raha vao naheno fa ho avy rahampitso sabotsy ny filoha Marc Ravalomanana. Na aty Antananarivo aza no higadonany dia miray fo sy saina ary fanahy amin’ireo izay ho avy hitsena azy eny Ivato ry zareo ; ireto farany kosa dia hanaraka akaiky ny tranga rehetra misy aty an-drenivohitra amin’ny alalan’ny teknôlôjian’ny serasera. Amin-dry zareo Zanak’i Dada, fotoana hanehoana amin’izay ny firaisankina hirosoana bebe kokoa amin’ny filaminana sy hialana amin’ny krizy lavareny izao fahatongavan’ny filoha izao. Ekena fa misy ireo mpitondra FAT no tsy maty voalavo an-kibo amin’izao hiezaka hamboly korontana amin’ny fiverenany izao, hoy ireto zanak’i Dada ireto. Aoka hofantatr’izy ireo fa ny fanarahana ara-bakiteny ny tondozotra niarahan’ny rehetra nanao sonia no anton’izao fiverenana an-tanindrazana izao. Zon’ny Malagasy tsirairay koa ny mivezivezy malalaka amin’ny tanindrazany. Mitaona ny rehetra ireto zanak’i Dada ireto mba hirohotra ho eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hanemitra ny lalana handalovany rahampitso sabotsy, hanaporofoana fa mbola mamy hoditra ary tsy afaka ao am-pon’ny Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana.
Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT