«Mpisandoka fahefana i Andry Rajoelina raha milaza fa tsy avelany hiverina eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Tsy anjaran’i Andry Rajoelina no miteny an’izany fa an’ny vahoaka. Ny vahoaka anefa tsy mbola nilaza ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, Randrimamiarizafy Ignace.
Anisan’ny nitolomana teto, tato anatin’ny telo taona, hoy izy dia ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny firotsahany hofidiana. «Izay mieritreritra tsy hanao ireo dia manangana ady amin’ny Malagasy ary dia hifamono eto ny samy Malagasy», hoy ihany izy. Nalaza ho nanana basy na i Saddam Hussein, na Khadafi fa niaraha-nahita ny niafarany, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa dia “manao politika ny tafika sady matahotra ny sezany”. Araka ny fanazavan’ity CT ity hatrany dia tsy hampisy fitoniana eto ny tsy famelana an-dRavalomanana hody an-tanindrazana. Raha ny fahitany ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia zavatra roa no hitranga aorian’ny fitondran’i Andry Rajoelina : na hanao fanadiovana goavana na hitazam-potsiny, hoy izy.
Tokony halalahana ny fonja, hoy ihany izy satria ny zava-misy dia kolikoly, fanodinkodinam-bola ary fanonganam-panjakana. Tsy hitombina intsony ny filazana fa gadra politika ireo rehetra tratra amin’izany. Fa nanao antso amin’ny vahoaka Malagasy handray andraikitra kosa ny CT Ralaiseheno Guy Maxime. Manana adidy ny tsirairay, hoy izy amin’ny famerenana an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Ao anatin’izany, ohatra, ny fandehanana manefa ny adidy raha feno ny fepetra rehetra ho amin’izany. Niantso ny rehetra hatoky ny filoha Marc Ravalomanana koa ny filoha lefitry ny Kongresy Rakotomandimby Zafilahy Stanislas. Zava-dehibe, araka ny fanazavana no andrasana amin’io fihaonana any Maputo io. Ho fotoan-dehibe moa, ny amin’ny sabotsy ho avy izao eny amin’ny Kianjan’ny Finoana, Behoririka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.