Zanak’i Dada

> Vonona hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka


  • Sabotsy 12 Oktobra 2013


Tsy tongatonga fahatany ao amin’ny kianjan’ny finoana ireo mpitolona mitaky ny famerenana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena sy ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, na koa mihaino kabary sy fanentanana fotsiny hatramin’izay 4 taona sy tapany izay fa tena miady hevitra tsy tapaka ihany koa nianatra ny tena demokrasia. Na dia misy hevitra tsy hitovizana aza anefa ao anatin’izany adihevitra izany dia tsy misy miala ao an-kianjan’i Magro mihitsy ireo mpitolona tena mpitolona sy tsy mivadi-belirano amin’i Dada. Tamin’ny hetsika nataon’ny Zanak’i Dada nandritra izay fitondrana FAT sy Tetezamita izay dia nanaja ny filaminana sy nanalavitra korontana hatrany ny mpitolona rehetra na dia nanaovana fiantsiana tamin’ny fandefasan’ny Emmo-Reg lakrimôzena marobe aza. Rahampitso alahady, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, dia mbola mampanantena ny hitondra mandrakariva izany filaminana izany ny Zanak’i Dada ary mampitandrina izay mety hanana sain-dratsy hitarika fanakorontanana fa efa mifampitaiza hamongotra an’ireny am-pilaminana koa izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT