Miandry ny toromarika avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny Zanak’i Dada ny amin’izay ho tohin’ny tolona, taorian’ny nandavan’ny CES ny fangatahan’ny ankolafy Ravalomanana hanolotra kandida ho solon’i Lalao Ravalomanana.
Mandra-piandry izay dia hasehontsika fa tsy manaiky ny tsy rariny isika, hoy ny Rév. Satrobory. Vao mainka hihamafy ny firaisankinantsika ka tsy ho vanona ny fifidianana rehefa tsy ampidirina isika, hoy ihany izy. Be loatra ny tsy maintsy harenina amin’ny firenena ka mila mitondra fanjakana isika, hoy Raveloson Constant. Misy anefa ny vato misakana dia ny vazaha, koa ady amin’ny fandresena vazaha sy ireo Taranak’i Gallieni Vaovao no atrehana. Vanja milevina ho an’ny firenena izao mitranga izao ary izany no antony hialantsika nenina hatramin’ny farany. Mampihiratra ny maso sy ny sain’ny iraisam-pirenena izao ny prezidanay fa fitaka be vava ny tatitra nentin’ireo mpanelanelana, hoy i Constant.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.