Miakatra ny feo ary manao tohivakana ireo antoko, fikambanana ary vondron’olona manohitra ny hanatanterahana fifidianana amin’ny endriny ankehitriny io.
Hanana izay hambarany ny amiraly Didier Ratsiraka rahampitso, izay sambany no haneho hevitra taorian’ny nanilihan’ny CES azy tsy ho kandida. Ao amin’ny Magro Behoririka dia teny tokana “tsy ekena” no miverimberina hatramin’ny nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo fa tsy hanaiky io fifidianana io ny ankolafy tarihiny. Teto Madagasikara ihany no afaka milatsaka hofidina ny mpanongam-panjakana, hoy ny CT Rasoanoromalala Horace. Tsy fifidianana amin’ny maha fifidianana azy no tsy ekena, hoy ny CT Randrianasolondrabe Eric nanampy fanazavana, fa izy mandika lalàna sy atao amboletra. Fifidianana madio no aoka hatao, hoy izy. Ho an’ny CT Rarison Hilarion kosa dia ny tsy fahatanterahan’ny tondrozotra mihitsy no tsy anekena io fifidianana io. Hiverina indray ny fanaterana taratasy eran’ny masoivoho ato ho ato ka mampiomana ireo mpiara-mitolona aminy izy hanao diabe.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.