Nifamotoana teny Anosimasina Itaosy omaly ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny Zanak’i Dada eny Atsimondrano notarihan’ny CT Rakoto Andrianaina John sy Rtoa Raharimanarivo Voahangy niara-nidinika ny amin’ny fiomankomanana ny handraisana an’i Neny Lalao Ravalomanana Rakotonirainy izay handalo hitsidika ny eny amin’ny Distrika ny sabotsy 18 mey 2013. Tsy hambakan’ireo toerana efa nandalovan’ity kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana ity ny eny aminay Atsimondrano, hoy ireto mpitarika ireto, ka manantena ny fiaraha-mientan’ny Zanak’i Dada tsy ankanavaka fa dia sabotsy izany mifankahita.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.