Politique

Zanak'i Dada ao Mahajanga Velom-bolo ary nahazo hery vaovao


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Nahazo hery vaovao indray ny tolona ho amin'ny famerenana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ao Mahajanga ny sabotsy 07 janoary 2012 teo.

 Nanao hetsika goavana mantsy ireo zanak'i Dada any an-toerana. Lohalaharana tamin'izany ireo TIM izay tarihin'ny depiote Randrianarivo Louis sy ny ekipa miaraka aminy. Marihina fa niditra mivantana an-tariby nitafa tamin'izy ireo ny filoha Marc Ravalomanana, tamin’io hetsika io, ary dia nanantitra ny fiarahabana noho ny taona vaovao ary koa nampahery ireto mpitolona. "Tsy maintsy mandresy isika ary tohizo ny fifankatiavana", hoy izy. Velom-bolo indray ireo mpitolona ary nahazo hery vaovao. Manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ary dia tsy hangina intsony ireo Zanak'i Dada ao Mahajanga fa hitaky hatramin'ny farany ny famerenana tsy misy fepetra ny filohany eto an-tanindrazana ary koa ny famoahana ireo gadra politika. Taorian'ny fihetsiketsehana moa dia nisy ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana tamin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo noho ny taona vaovao. Nanome tanana azy ireo ny Malagasy Mandroso ao Paris.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT