Politique

Zanak’i Dada ao Fandriana Manohana 100% an’i Lalao Ravalomanana


  • Talata 14 Mey 2013

Tafapetraka tamin’ny fomba ôfisialy tao Fandriana ny sabotsy 11 mey 2013 teo ny kômity mpanohana ny fandaniana an’i Neny Lalao Ravalomanana ao amin’ny Distrika Fandriana, Faritra Amoron’i Mania.

 Nandritra ny fivoriam-be nihaonan’ireo mpankasitraka an’i Neny no nananganana ireo kômity mpitantana amin’ny fampandaniana azy. Voafidy ho mpandrindra ny fampandaniana an-dRtoa Lalao Ravalomanana avy amin’ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrika Fandriana Atoa Rakotomavo Désiré, raha Atoa Barijaona mpikambana ao amin’ny Kôngresin’ny tetezamita kosa no voafidy ho mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Distrika Fandriana. Tao anatin’ny mangarahara tanteraka no nanatanterahana ny fananganana ireo kômity ireo ary natrehin’ireo solontena avy amin’ny Kaominina 13 mandrafitra ny Distrika Fandriana. Samy nahatonga solontena avokoa ireo antoko pôlitika sy fikambanana mpanohana an’i Neny ao Fandriana toy ny Tiako i Fandriana, Roso ny Dia, MFM, ary ny Zanak’i Dada.

Tonga tany Fandriana niatrika izao fivoriam-be izao ny mpandrindram-paritry ny fampandaniana an’i Neny Lalao Ravalomanana avy amin’ny Zanak’i Dada ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania Atoa Rakotoarisoa Philippe Berthin, Ben’ny tanàna Ambositra-I. Nanampy ara-teknika kosa ny mpandrindram-paritry ny ankolafy Ravalomanana ao Amoron’i Mania dia ny CST Rakotonirina Lovanantenaina. Nandritra ity fivoriam-be notontosaina tany Fandriana ity no nanambaran’ireo mpanohana an’i Neny fa vonona 100% izy ireo hampandany sy hanohana azy hatramin’ny farany. Hita taratra tany Fandriana rahateo fa mbola miandry ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ny vahoaka any an-toerana ka ny fandaniana an’i Neny no lalaba hahatongavana amin’izany. Hitohy any amin’ny Distrikan’i Manandriana indray ny fivoriam-be manaraka hananganana ny kômity mpanohana an’i Neny ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT