Mitohy hatrany ny fihaonana isan-kerinandro ataon’ny Zanak’i Dada ao Antsiranana.
Ao amin’ny tranon’ny masoivohon’ny orinasa Tiko no ambohipihaonan’izy ireo isaky ny sabotsy sy alahady tolakandro. Raha natao hihainoana ny fampitam-baovao amin’ny alalan’ny antso an-tariby miainga avy ao amin’ny Magro Behoririka Antananarivo, ny sabotsy tolakandro dia natokana hifanakalozan-kevitra sy handrindrana ny asa tafiditra amin’ny fanomanana ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana ary koa fandinihana ny paikady hiatrehana ny fifidianana ho avy kosa ny alahady tolakandro, araka ny fanazavan’i Boanaridesy Rodin, mpitarika ny Zanak’i Dada ao Antsiranana I raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Ity farany izay nanindry ny tokony hampiharana manontolo ny tondrozotra, fa ela loatra ny krizy. “Tanteraho jiaby ny tondrozotra, na ajanony tanteraka fa ela loatra”, hoy izy. Tsiahivina fa nisy minibus 8 no nitondra ny solontenan’ny Zanak’i Dada avy any Antsiranana tonga teto Antananarivo tamin’ny 21 janoary 2012, hitsena ny filoha Marc Ravalomanana. Niato-tena avokoa izy ireo. Tsy tanteraka anefa ilay fitsenana satria dia nataon’i Andry Rajoelina ny fomba rehetra tsy hidiran’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny nampamoahany NOTAM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.