Politique

Zanak’i Dada Antsirabe Nitondra fanazavana ny 26 jona teo


  • Zoma 29 Jona 2012

Niteraka resabe ary nahasarika ny sain’ny mpanara-baovao tao Antsirabe ny tranga niseho ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo.

 Raha ny marina dia fetin’ny malagasy iray manontolo ny fetim-pirenena. Ny zava-nitranga tao Antsirabe anefa dia fetin’ny mpitondra ila izy ka izay metimety amin’izy ireo ihany no azo natao. Raha tsahivina dia nikasa handray anjara tamin’ny matso toy ireo mpianatra sy fikambanana maro izay noterena an-kolaka ny ankolafy Ravalomanana. Norarana tamin’ny ora farany izy ireo rehefa hitan’ny mpitondra fa toa be loatra tsy araka izay niheverana azy isan’anandro tao amin’ny Magro Avaratsena. Nanoloana izany dia niantso mpanao gazety ka namboraka ny alahelony ireo avy tao amin’ny ankolafy Ravalomanana Antsirabe notarihin-dRabemizana Solo.

Nambarany tamin’izany fa tsy voailika izy ireo nandritra ny fetin’ny fahaleovan-tena fa nandray anjara feno tokoa na dia nosakanana tsy hilahatra aza. Amin’izy ireo dia henatra ho an’ny Faritra Vakinankaratra iny sakana natao iny fa ny Faritra rehetra dia nilahatra avokoa ny mpanao politika. Nambarany ihany koa fa «mbola tahotra ny ankolafy Ravalomanana iny fihetsika iny. Efa resaka nifanekena izao dia nolavin’ny lehiben’ny Faritra kanefa ny kaomisera Rakotonjanahary Manamijoro dia nanamafy teo am-boalohany fa ny sarin-dRavalomanana ihany no tsy azo entina milahatra fa ny akanjo sy kasikety azo entina.

Midika izay fa nahazo alalana izahay. Rehefa tena tonga anefa ny fotoana hilaharana dia namaly tsotra ihany koa ny tenany fa «tsy mahazo milahatra indray ianareo araka ny baiko». Notsindrian-dRabemizana Solo fa baiko avy tamin-dRazanakolona Paul sy ny lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I izany noho ny fahitana fa betsaka tsy araka ny niheverana azy ireo zanak’i Dada tonga hilahatra. Nambaran’ireto mpitarika ireto ihany koa fa alahelon’izy ireo ny tsy namoahana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM ny sarin’ny lehibena andrim-panjakana sy ireo Minisitra ary CST sy CT tonga nanotrona ny fetim-pirenena tao Antsirabe tamin’iny fotoana iny. Voalaza anefa fa fiaraha-mitantana no misy izao. Nohamafisin-dRabemizana fa tsy fanakorontanana ny zava-nitranga satria tsy nandrava laharana na nandroba izy ireo. Noharatsiana fa tsy mba nivoaka televiziona ny fihodidinan’ny EMMO-REG ireo mpitolona marobe teo anoloan’ny Hotel des Thermes sy ny diaben’ny olona nihazo ny Magro. Nisaotra ireo mpitolona tao Antsirabe anefa izy ireo ka nilaza fa tsy ho ela dia hifarana ny fanjakazakan’olon-tokana eto amin’ity firenena ity. Nohamafisiny fa ny zanak’i Dada dia tsy hikorontana izany mihitsy. 

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT