Politique

Zanak’i Dada Antsirabe Mitaky ny fihaonana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Nifantoka tanteraka tamin’ny fampihaonana ny filoha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina izay voalaza fa hatao ato ho ato ny fanehoan-kevitra tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 30 jona teo.

 Ankoatra izay dia nafana ny hetsika niarahana tamin’ireo delegasiona Tiako I Madagasikara avy eto an-drenivohitra notarihin’ny CT Mahefa izay tonga nizaha marina ny zava-misy ao Vakinankaratra, indrindra mikasika ny raharaha TIKO Andranomanelatra. Nambaran’ireo nandaha-teny ary noraisin’izy ireo ohatra ny lalao famaranana ny baolina kitra “Euro” izay tsy azo eritreretina ny hanaovana ny lalao famaranana aty Afrika, ka angatahin’izy ireo ny hanaovana ny fihaonana eto Madagasikara izay nipoiran’ny olana. Fa nasian’ireto vahiny resaka ihany koa ny hetsika hataon’ny Vehivavy mpitolona eto an-drenivohitra anio eny amin’ny Birao fifandraisan’ny SADC Ankorondrano ka nitondrany hafatra ho an’ireo miaramila fa aoka tsy izy ireo no henjehina amin’ny baomba mandatsa-dranomaso fa izay ahazoana an-dRemenabila sy ny tariny no tokony hatao, ka mba ho tena tandroka aron’ny vozona amin’izay izy ireo fa tsy sanatria ho tandroka aron’ny vozongo (vazaha) na koa ho herim-pamoretana fotsiny.

Notsindriana mafy tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe fa raha any ivelany io fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina io dia hanaiky hatrany Rajoelina saingy hivadihany toy ny mahazatra kosa ny sonia sy izay nekeny mba haha tetezamiitatra ny fitantanany ka izay no hangatahin’ny zanak’i Dada ny hanaovana ny fihaonana eto Madagasikara mba ho ny Malagasy rehetra no vavolombelona amin’izay mitranga. Na izany aza dia matoky ireto mpitolona ireto fa na aiza na aiza io fihaonana io dia tsy maintsy tafody eto Madagasikara ny Filoha Ravalomanana ary ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy ary ho “1er tour dia vita” indray io, hoy ny CT Mahefa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT