Na dia teo an-katoky ny fetin’ny Noely aza ny sabotsy 24 desambra teo dia tonga maro be hatrany ireo mpitolona tao Antsirabe ka nifamotoana tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena izy ireo ny sabotsy teo.
Telo taona nifanesy izay hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara no nankalazan’ireo mpitolona ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ity ny Noely tao amin’io kianja io. Ankoatra ny firariantsoa sy fiaraha-nifaly amin’izao Noely izao moa dia nisy ihany ny fafanakalozam-baovao nifanaovan’ireo mpitolona ka nilazan’ny nandaha-teny fa efa ho rava ny fitondran’ny FAT. Miharihary izao fa miady an-trano izy ireo raha ny zava-misy. Tsy mifanaraka Atoa Beriziky sy Ingahy Rajoelina, ny mpitsara sy ny polisy mifamono ary iaraha-mahita fa feno grevy etsy sy eroa, mirongatra koa ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra izay dia nitondra valin-kafatra tamin’ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul ihany koa ireo mpitolona tamin’ny nilazan’ity farany fa mpiantsena no nangonina nalaina sary ny alakamisy teo nandritra ny fidinana an-dalambe nataon’ny komity mitaky ny fampiharana ny tondrozotra.
Mpanao gazety maro anefa no nanatrika ilay hetsika na dia tsy nisy fitaoman’olona na fanasana toy ny fanaony rehefa misy hetsika atao. Nohamafisin’ireo niteny fa na nisy mpiantsena nanatevina ny fitakiana aza dia mazava izany fa miaraka amin’ireo mpitolona ny vahoaka. Hentitra moa ireo mpitarika nilaza fa raha tena sahy dia “ampodio fotsiny Ravalomanana dia ho hita eo izay mahazaka olona na ny Magro na ny FAT”. «Tsy hisy fitoniana izany eto raha tsy tonga Ravalomanana», hoy ihany ireo mpitolona. Nisy moa ny firariantsoa nataon’ny filoha Ravalomanana ny vahoaka Malagasy io sabotsy io tao amin’ny kianjan’ny Magro ihany ka nankaherezana ny olona mba tsy ho kivy na dia nisy aza ny fampanatenana nataony ny hiaviany mialoha ny Krisimasy teo. Notsipihiny fa tsy ho ela intsony ny fihaonana ka mila vonona amin’izany ny vahoaka Malagasy, hoy ihany ny filoha Ravalomanana. Nanotrona ity hetsika ity moa ireo Parlemantan’ny Tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao Antsirabe.
Raharison Caïus
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.