Mba hahafahana mitodika tanteraka amin’ny asa sosialy ho fanatsarana ny mpiara-belona eny amin’ny Fokontany izay tena fototry ny toe-tsaina maha Malagasy ny Malagasy dia nanatanteraka hetsika teny amin’ny hotely Suc de la Ruche ny sabotsy teo ny antoko Zanak’i Dada Ankadikely tarihan’Atoa Ramala Théodore izay filohan’ny filankevitra kaominaly am-perinasa ao an-toerana. Efa voafaritra moa ireo tetikasa telo hanaovana asa sosialy mivantana ho an’ny vahoaka dia ny fanakaramana mpampianatra hampita asa mivantana amin’ny asa Tanana, ny fanaovana famorana faobe ary ny fanatanterahana fifaninanana ara-panatanjahantena baolina kitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.