Politique

Zanak’i Dada Ambohitsirohitra amin’ny 24 jolay


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Tomefy olona ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Anjaran’ny tanora sy tantsaha avy any Manjakandriana moa ny sehatra ka tonga an-kianja indray ry Sitraka sy ny mpandihany

 Faly izahay, hoy izy ireo, manana an’i Lalao Ravalomanana ho kandida. Andraikitra mavesatra no noraisiny ka ny hanohana amin’ny herinay rehetra izahay ho fankasitrahana izany, hoy izy ireo. Nanamarika ny andro sabotsy teo koa ny fahatongan’ny GTT maro eto an-tanindrazana. Efa antoko izao ny GTT ary efa ara-dalàna ny fisiany, hoy i Jacques Hoby nilosontena azy ireo. Nandray anjara tamin’ny fivoriana tany Afrika Atsimo izahay, hoy izy, tany no nametrahana ilay kintana hitondra fandresena ho antsika Malagasy dia i Neny izany. Tsy hisy fanalavanam-potoana ny lalao hoy ny CT Ralaimampisainarinony Manoela na dia fanaparitahana vaton’Antananarivo aza io fahamaron’ny kandida io ary Lalao Ravalomanana koa tsy kandidan’Antananarivo fa kandidan’i Madagasikara. Efa antsika io hoy i Guy Rivo Andrianarisoa. Fa amin’ny sabotsy aloha dia hirefotra i Antananarivo ary koa i Madagasikara atsy ho atsy, Ambohitsirohitra no tanjona amin’ny 24 jolay. Roa andro ao aorinan’ny 24 jolay dia efa havoakantsika ny vokatra satria ananantsika ny teknolojia, hoy i Guy Rivo namarana ny teniny.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT