Mitaky ny hampiharana manontolo ny tondrozotra manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-45 ny mpomba ny ara-dalŕna ao Ambilobe.
Ny filohan’ny tetezamita no misy, ny praiminisitra no voatendry, ny Kongresin’ny tetezamita, ny filankevitra ambonin’ny tetezamita no tafatsangana dia noho ny tondrozotra ho izy ireo, koa tonga izao ny fotoana hodian’ny sesitany politika, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, ny hamoahana ireo gadra politika, hanalalahana ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety araka ny voalazan’ny tondrozotra, hoy ireo Zanak’i Dada ao Ambilobe.
Manantena ny fodian’i Dada hamaranana izao krizy tafahoatra be izao, ary koa manantena ny filatsahany ho fidina ny Zanak’i Dada sy ny Tiako i Madagasikara Ambilobe, ireto farany izay manamafy fa vonona hampandany an’i Marc Ravalomanana ka ho lany ho filoha voalohany hitondra ny Repoblika faha-4. Manantena sy matoky an'i Dada, izahay hoy izy ireo. Malakilaky kokoa ny fampivoarana tamin'ny androny. Porofon’izany ny nahavitan’ny lalam-pirenena faha-6 mihazo an’Antsiranana, mandalo an’Ambilobe. Efa fandaharan’asany ihany koa ny hanamboatra an’Ambilobe -Vohémar.
Mikasika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia nanipika mazava i Sebani Mohamed, mpandrindram-paritr’ity antoko ity, fa tokana tsy mizarazara ary tsy misy TIM Raharinaivo izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.