Mbola nohamafisin’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Razafimandimby Zafilahy Stanislas, tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka fa efa mazava ny hafatry ny SADC ny amin’ny tsy maintsy hampihaonana ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Angatahantsika amin’izy ireo, hoy izy, ho eto Madagasikara no hanatanterahana izany fa tsy any an-toeran-kafa, avy eo vao midinika amin’ireo ankolafy hafa sy ireo filoha teo aloha izy mianaka. Mbola nentaniny ho avy maro ao amin’ny kianjan’ny finoana hatrany ny mpitolona tena tsy miova fo amin’ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana fa “efa akaiky ny fandresena ary isika tsy maintsy mandresy”. Afak’omaly alatsinainy moa dia nentin’ity mpitari-tolona ity an-kira ny fampitan-kafatra ho an’ireo mpitolona tao amin’ny kianjan’i Magro Behoririka.
Ny hiran’i Jean Kely sy Basth mitondra ny lohateny hoe “Mama” no niangaliana voalohany tamin’izany ka nentina indrindra niarahabana ireo reny mpitolona nahatratra ny fetin’izy ireo. Ny faharoa kosa izay niarahany niangaly tamin’ny CT Andriamoratsiresy Sandros Alfred sy i Michel, mpiasan’ny Antenimieram-pirenena, dia ny tsanganasan’i Charles Martin nitondra ny lohateny hoe : “Very hevitra”. Hafatra miantraika amin’ny mpitolona mbola misalasala izy io. Nilaza ny CT Zafilahy Stanislas fa nanao “défense en ligne” ry zareo mpitari-tolona amin’ny ankolafy Ravalomanana ny amin’ireo resaka voizina ankehitriny amin’ny fanalana an-dRajoelina eo amin’ny toerany.
Mazava izao fa misy ny mitsivalana amin’ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana ka tsipahany marindrano. Notsiahiviny fa tahaka ny nanaovan-dry zareo depiote fahiny “défense en ligne” tamin’ny hevidravina nataon’i Lahiniriako Jean fony izy mbola filohan’ny Antenimieram-pirenena ka nikasa hanongana ny filoha Marc Ravalomanana sy saika handrangitana adim-poko izany. Tsy fantatr’i Lahiniriako tamin’izany, hoy izy, fa izaho dia taratry ny firaisam-pirenena satria avy eto Antananarivo ny raiko fa ny reniko no avy any Vavatenina. Raha ny amin’ny hoe fiverenan’i Joaquim Chissano hanohy ny fanelanelanana dia tsy misy atahorana, hoy i Zafilahy Stanislas, fa efa lasa i Jean-Marc Chataîgner tena nitsivalana amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara ka hijoro vavolombelona amin’ny tetika ratsy natao tamin’izany io olon’ny SADC io ankehitriny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.