Politique

Zanak’i Dada “29 febroary, izay no fantatray !”


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Mandeha sady ezahina aely ny feo, hoy i Zafilahy Stanilas raha nihaona tamin’ireo mpandala ny ara-dalŕna tao amin’i Magro Behoririka omaly fa tsy ho tratra ny datin’ny 29 febroary amin’ny fametrahana ny fepetra sy lalŕna hisian’ny fitoniana sy ny famafan-keloka faobe.

«Senegaly mahazo baiko isika, 29 febroary ihany no 29 febroary, izay ihany no fantatsika. Ankoatr’izay, aleo hanonofy izay hanonofy», hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity. Nohamafisiny fa tsy maintsy ho avy mialoha io daty io ny filoha Marc Ravalomanana ka rehefa tonga eto izany filoha izany dia hangina daholo izay mitabataba fa ireo Tia Tanindrazan sisa no hijoro hanarina ny firenena. Nambarany koa fa dia horavana ny jadona, tsy ekena ihany koa ny “framaçonnerie” izay tsy maintsy harodana ary dia tsy maintsy ho vita izany rehetra izany.

Mahatsiaro ho kamboty

Anisan’ireo delegasion’ny Kongresin’ny tetezamita namita iraka, nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tany amin’ny Faritra Atsinanana moa i Zafilahy Stanilas. Araka ny fanazavany dia mangetaheta ny fiverenan-dRavalomanana ny olona any amin’ny Faritra izay mahatsiaro ho kamboty tanteraka, indrindra manoloana ny voina toy izao. Rehefa misy voina toy izao tokoa manko, dia tsy miandry fotoana Ravalomanana fa avy hatrany dia midina any an-toerana. Betsaka ihany koa ireo fanampiana azon’ny vahoaka saingy tamin’ity dia zara raha misy izany ary matetika aza dia ireo olom-pantatr’ireo mpizara ihany no mahazo. Tetsy ankilan’izany dia notsiahivin’ny jeneraly Solamena fa ny sori-dalana no nametraka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita ka raha tsipahiny izany sori-dalana izany dia ny manala tena tsy ho filohan’ny tetezamita ny tenany. Nohamafisiny ihany koa fa tsy hiala ao anatin’io rafitra io ny ankolafy Ravalomanana. Basy aman-tafondro, hoy izy vao mahala anay ao.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT