Politique

Zanak’Antsiranana Manohana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana zato isan-jato


  • Zoma 19 Aprily 2013

Resy lahatra amin’ny fanohanana an-dRamatoa lalao Ravalomanana amin’ny firotsahany hofidiana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay izao ny zanak’Avaratra. Nivoitra izany nandritra ny fandalovan’ny fikambanana Vondron’olon-tsotra (VOT) tany Antsiranana ny alarobia 17 aprily teo.

 Mahatsapa ny zanaky ny faritanin’Antsiranana fa ny fahalanian’i Lalao Ravalomanana hitondra ny firenena Malagasy no hitondra vahaolana amin’izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka Malagasy izao. Mijoro ankehitriny ireo olon-tsotra any an-toerana manamafy ny fanohanany an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy mitaky ny fampodiana ny filoha Ravalomanana Marc. Tafatsangana ny birao handrindra ny VOT any an-toerana. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly ny VOT Ramatoa Sarah Zoé fa fotoana izao hamondronana ny hery entina hampahomby ny tolona. Efa mazava izao, hoy izy, fa Ramatoa Lalao Ravalomanana no kandidantsika amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka hanao ny ezaka rehetra isika amin’ny fampandaniana azy. Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga voavadika. Fantatsika ny zava-bitany tamin’ny fitantanany ny orinasa Tiko.

Tsy mampitovy ny fitantanana orinasa amin’ny fitantanana firenena sanatria fa ny tiakam-bara dia hoe efa manana ny fahaiza-mitantana sy traikefa amin’ny fampahombiazana amin’ny zavatra ataony Ramatoa Lalao Ravalomanana, hoy izy. Niditra mivantana an-telefaonina tamin’io fihaonan’ny VOT nasionaly tamin’ny zanak’Avaratra io ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana Guy Rivo Andrianarisoa izay nanantitrantitra ny tokony hiraisana hina manomboka izao ary hanajanonana izay mety tsy fitovian-kevitra.

Nohazavainy antsipirihany ihany koa ny antony nahatonga an-dRatoa Lalao Ravalomanana ho kandida filoham-pirenena. Inoana, hoy izy fa “1er tour dia vita”. Namarana ny fotoana ny fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo izay nampahery ny vahoaka any Antsiranana amin’ny tolona ho famerenana ny ara-dalàna ary indrindra eo amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Tehaka nirefodrefotra no nandraisan’ny vahoakan’Antsiranana ny teniny ary nivolagna izy ireo fa hanohana tsy misy fepetra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana satria izay no heverina fa hamerina indray ireo asa fampandrosoana rehetra izay nataon’ny filoha Ravalomanana tany amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, hoy izy ireo.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT