Politique

Zakahely Boniface “Tsy misy depiote izany eto”


  • Zoma 01 Desambra 2017

Izaho mahita fa tsy misy depiote izany eto Madagasikara amin’izao isika miteny izao, hoy ny Solombavambahoakan’i Mananara Avaratra teo aloha.

  Tsy misy an’izany fa ny olona mivorivory ao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena no misy, izay eken’ny lalàmpanorenana. Na ny fomba fandaniana ireo olona ireo aza tsy ara-dalàna satria Andry Rajoelina te hahazo maro an’isa no nanimba an’io zavatra io, ka lasa vaky balina ny niditra tao, izay manam-bola  ihany no lasa depiote. Ahoana no hitenenanana hoe misy solombavambahoaka isika, hoy izy. Amin’izao fotoana izao dia misy HVM, ka oviana no nahitana hoe nisy HVM nirotsaka depiote teto Madagasikara. Fisolokiana izany, ka tokony hosamborina, ary azo toriana izany, saingy tsy misy mitory satria tsikombakomba ny maro an’isan’izy ireo. Misy olona faha-4 tamin’ny fifidianana natao lany, misy olona karohina lasa depiote ary tsy iray na roa izany fa be dia be, hoy izy. Lasa toeram-pialokalofan’ny olona andeha mitady vola, dia hiaro ny fananany. Aiza no ahitanao olona an’izany ny depiote izany, ka alainy daholo ny tsenam-panjakana tsy  misy antso tolo-bidy tsy misy na inona na inona, hoy izy. Raha ny resaka fiarakodia izany, dia azo ho azy izany raha tena mipetraka amin’ny depiote azy. Tamin’ny andronay dia izahay tsy niady an’izany ary tsy misy lalàna an’izany mihitsy io ny fiara tsy mataho-dàlana, ka ahoana moa no hahafahanao mitaky izany, hoy izy. Tonga tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana dia izy no nanome maimaimpoana. Amin’izao fotoana izao dia ahoana moa ny fanjakana no hanome fiara, kanefa tsy misy lalàna an’izany. Tokony lalàna mikasika izany no nataony satria afaka nanao tolo-dalàna, hoy i Zakahely Boniface.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT