Politique

Zakahely Boniface Tsy mahomby ny fitondrana amin’izao fotoana izao


  • Zoma 09 Septambra 2011

Hiaro ny firenena sy sy ny tanindrazana fa tsy hitady vola sy hitsikera foana ny teo aloha no andraikitry ny tetezamita, hoy i Zakahely Boniface.

 Diso hatrany am-boalohany, hoy izy, ny rafitra mitantana an’io fitondram-panjakana io ary ny hevitra narahiny dia diso ihany koa ka nahatonga ny tsy fahombiazana amin’izao fotoana izao. Ohatra noraisin’ity depioten’i Mananara Avaratra teo aloha ity, tamin’izany ny isan’ireo mpikambana HAT nahatratra 44 izay tsy nety fa nisiana resaka ady toerana ihany ary nisehoana fitiavan-tena fotsiny. Tsy hay intsony ankehitriny na sori-dalana na ny lalàmpanorenana no hangalana ny fanapahan-kevitra eto amintsika, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Tsy manana fahamatorana sy fahasahiana ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana izao.

Araka ny voalazan’ny gazety mpiseho isan’andro iray eto an-drenivohitra dia nohamafisin’Atoa Zakahely fa tokony hametra-pialana tokoa i Andry Rajoelina raha mieritreritra ny fifidianana ho avy. Mikasika ny resaka fanaovana fanamarinam-pahatongavana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza dia nanambara ity mpikambana iray ity fa : “raha ny tena marina amin’ireo olona notendrena dia tena tsy maintsy tonga mamonjy fivoriana eny amin’ny Lapam-panjakana satria hamaha olana no nanendrena azy ireo eo amin’io toerana io”. Rariny, hoy izy, ny fangatahana ataon’ireo namana amin’ny tokony hanaraha-maso izay tonga mivory fa tena misy tokoa ireo mpikamban’ny Kongresy tsy hita mihitsy raha tsy any aorian’ny faha-20-n’ny volana ary mandalo fotsiny dia lasa. Ka raha ny marina dia tokony hatao lalàna mihitsy ny tsy maintsy hamonjen’ny mpanao lalàna fivoriana satria tsy azo ampivadiana amin’ny asa hafa ankoatra ny resaka fampianarana ny asan-dry zareo ireo.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT