Politique

Zakahely Boniface Tombontsoa manokana fa tsy fitiavan-tanindrazana ny an’i Andry Rajoelina


  • Zoma 16 Septambra 2011


 “Mba aiza ianareo gadra politika navoaka ny fonja taorian’ny fihetsehana tamin’ny 2009 ireny ?”, hoy ny fanontanian’ny mpanao gazety navantana tamin’Atoa Zakahely Boniface filohan’ny FTF (Fiombonana amin’ny Tena Fiovana) iombonany amin-dry Pety Rakotoniaina sy Voninahitsy Jean Eugène … fa toa tsy mba nisy tafiditra tao amin’ny andrim-panjakana mpanatanteraka na ilay lazaina fa governemantan’ny fampihavanam-pirenena fa toa anjakan’ny TGV ny tanàna ? Nazava ary nahitsy ny valin-teny nomen’ity CT ity tamin’ny filazana fa : “raha izany TGV izany dia zara raha misy eto Antananarivo fany amin’ny Faritra hafa izaho tsy mahita an’izany. Fa ny zavatra fantatro dia ny “leader” politika rehetra tany amin’ny Faritra rehefa manerana ny Nosy dia nankamafy ny nahazoana ny fahefana avokoa.

Faharoa, i Andry Rajoelina dia tsy nitolona raha tsy nampodin-dRavalomanana ny radiony (VIVA), noho izany dia ny tombontsoa manokany no nojereny tamin’izany. Fa izahay kosa efa hatramin’ny ela tamin’ny fitondran-dRavalomanana no efa nitolona ary nidiranay am-ponja izany. Tsy nisy olona nitolona teny an-kianja ireo manodidina azy ireo fa mpijapy masinina sy naman-dRavalomanana avokoa ka tsy mahagaga raha tsy tafiditra ao anaty governemanta izahay, hoy i Zakahely Boniface. Ka raha mbola entiny amin’izao hitondrany azy izao ny fitondrana dia tsy avy lavitra io fa be ny “frustré”. Ho avy hanaraka ny matanjaka koa ny olona. Ka izay no hitakian’ny FTF ny tena fiovana hatrany am-boalohan’ny nitsanganany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT