Politique

Zafy sy Deba Niara-nisakafo omaly


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Vahinin’ny profesora Zafy mivady teny Ivandry omaly ny amiraly Ratsiraka mivady.

 Taratry ny fihavanana Malagasy ny zava-nitranga. Navalona ho tantara ny fifandrafiana politika taloha, satria dia olona nifanongana teny an-kianja ny roa tonta tamin’ny taona 1991. Zoky ara-taona ny profesora Zafy, vao tonga an-tanindrazana koa ny amiraly, ka dia mifanasa. Nisy ny fiaraha-misakafo, narahin’ny tafatafan’ireo ela tsy nihaona, andaniny ny Pr Zafy Albert sy ny amiraly Didier Ratsiraka, ankilany Thérèse Zafy sy Céline Ratsiraka. Tsy nisy nipika anefa ny diniky ny roa tonta.

Azo antoka fa dia voaresaka tamin’izany ny raharaham-pirenena, indrindra ny tetezamita. Mpanao sonia sori-dalana ny ankolafy tarihin’ny Pr Zafy, olona natolony no voatendry ho praiminisitra, dia i Beriziky Jean Omer, ary manana minisitra dimy ao anaty governemanta izy. Tsy nanao sonia tondrozotra ny ankolafy tarihin’ny amiraly Ratsiraka. Milaza ho manana vahaolana roa na telo azo aroso hamahana ny krizy anefa ny tenany, saingy takiany ny hanatanterahana eto Antananarivo, ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra miaraka amin’ireo mpitarika politika hafa, hanambarany izany. Midika io fa dia miandry ny fahatongavan’Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara ny tenany. Voalazan’ny tondrozotra ny amin’io, araka ny andininy faha-20.

Mety hanafaingana io fiverenan’Atoa Ravalomanana io anefa ny efa maha eto an-toerana ny amiraly Ratsiraka. Raha ny fantatra rahateo dia tsy mbola manana fandaharam-potoana ny hitsidika faritra, toa an’i Toamasina na Mahajanga ny tenany, fa dia mbola etsy amin’ny hotely Carlton Anosy, mandray ireo sokajin’olona maniry te hihaona aminy, indrindra ireo kamarady Arema. Ny amiraly rahateo tsy mbola misitraka ny zo maha filoham-pirenena teo aloha azy, toy ny trano, fiarovana, fiarakodia. Raha ny fantatra dia toa nasain’ny mpitondra ankehitriny nanao fangatahana mikasika ny filany ny amiraly Ratsiraka ny sabotsy teo, saingy tsy nanao ity farany. Nohariny toy ny mpiasam-panjakana mandray karama isam-bolana izany, ka tsy misy resaka fanaovana fangatahana, fa efa zo io dia omena !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT