Politique

Zafy – Ratsiraka – Ravalomanana – Rajoelina «Izy ireo mifampiresaka ihany no vahaolan’ny krizy»


  • Alakamisy 21 Jona 2012

Samy manana ny fomba fijeriny mikasika ny fampihaonana an’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina hokarakarain’ny SADC avokoa ny mpanao politika ankehitriny.

Ao ny milaza fa tokony hatao maika izany satria izy mirahalahy mianaka ireo ihany no tena fototry ny olana sy krizy teto, ka izy ireo no tokony hiresaka sy hifandamina amin’ny raharaha misy ankehitriny. Ao kosa anefa ireo mitsipaka izany, satria efa ireo filoha efatra no nifandinika hatrany am-boalohany ny raharaha, ka tokony ho izy efatra mirahalahy mianaka ihany no manao ny dinika manaraka fa tsy misy azo ailika. Manana ny fomba fijereny koa Atoa Fulgence, izay Filoha lefitry ny komity mpandrindram-paritry ny antoko Arema Toamasina. Aminy dia «tsy vahaolana mihitsy ny fampihaonana ny Filoha Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana fotsiny, satria fandaniana andro fotsiny». Nambarany fa «ny fanilihana ny Filoha teo aloha Ratsiraka sy Zafy Albert dia hitarika krizy vaovao eto amin’ny firenena, ka vao mainka hampilentika ny firenena indray izany. Maninona raha vahana indray mandeha ny olana eto amintsika amin’izay hilamina ny fampandrosoana ny firenena ho an’izay filoha ho lanim-bahoaka eo amin’ny repoblika manaraka eo». «Tsy afa-misaraka amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena izy efatra mirahalahy mianaka raha tiana tsy hitarazoka ny famahana ny olana ; ary tokony tokony hatao ao Antananarivo io fihaonana an-tampony io», hoy hatrany Atoa Fulgence namarana ny heviny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT